4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Midola tsy ketr' ila (afindrafindrao) - Razilina

Roy e roy e roy e ry lahy!

Midola tsy ketra’ila

Midola tsy amin-tsavony mavo rajo

Midola mitongim-baky "mauvais"

Mitari-pasika mody ka tsy tiako

Lazondazom-boakanzo nankalao

Lazondazom-pitia nanadala

Tiavo ny havanao Ramatoa

F’izaho aza ariana sombiniaiko



Eny ekeko fa marina izany

Raha ianao peratra

Izaho ratsan-tanana

Raha ianao no endriko

Izaho bikanao sombiniaiko

Tranonay sy malala

Mifanao atsimo sy avaratra

sioka tokana dia mivoaka

Kopa-damba dia lasa "rendez-vous"

Ondaondano kely anie aho ry patro

Fa marary ny an-dohako

Fa maninona no marary ?

Tsy niala vazi-boana ka narary e !



Tavohangy mitongilana

Tohanako lantinoara

Ise kely raha mihilana

Tohanako latin-tsandry moramora



veloma masina ny aty

Teny Antananarivo izahay

Iarivo tratry ny taona

Tetsy Ambatonankanga izahay

Namangy an’ Ikaky sy Neny

Hitondray tamotamo aho hitamotamoko

Hitondray sakarivo aho hirivorivoko

Paraky mahery izahay re

Ka tsy hanin’ olon-jejo.

Partager midola tsy ketr' ila (afindrafindrao)

Commenter midola tsy ketr' ila (afindrafindrao)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Razilina