4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Marovoay - Razilina

Vorona ho aiza ianareo no mikopaka avo fanidina

Mivilia mba ho hafarako kely

Raha ho any avaratra andrefana ihany

Fa any toerana misy akany nitaiza namindra

Ka tena tsy foiko fa mamiko indrindra

Ny foko dia tsy azoko afindra

Toerana maloka an-dohasaha

Tsy vitsy fa maro ireo te-hizaha

Maintso mavana ireo alam-bary

Ka sanatria izay faty mosary

Hafana mamaivay

Fa maha-tamana anay

Tianay ny tananay

Maminay ilay Maroavoay.

Partager marovoay

Commenter marovoay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Razilina