4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho tia - RAYAN

Ô tia tsy toy ny eto an-tany

Ho tia na faly na tomany

Ho tia nadia ho sorona aza ny aina

Ho tia ho azy tsy zaraina



Ô tia ho to ka hotahiany

Ho tia na dia hananan-tsiny

Ho tia na inona hiantra hidona

Fitia arahina finoana



Ô tia ho tia ho saro-piaro

Fitia mandresy fahavalo

Ho tia hanototra ny fo ny teny hoe

Ho tia ho faty raha ekena



Tsy mahalavi-tany na hoviana na hoviana

Hamoizana ny ankany sakaiza sy ireo havatiana

Raha mbola eto an-tany ,tsy ahasaraka azy hatrany

Na hifandaozana amin'ny ankany



Ô tia n'aiza n'aiza tany aleha

Fitia tsy mila rehareha

Ho tia handefitra raha toa ilaina

Ho tia ampara-fofonaina



Ô tia ho azy manontolo

Fitia tsy misy mahasolo

Ho tia hanaiky izay ho fitsapana

Ho tia na soa na fahantrana



Tsy mahalavi-tany ...



Ô tia amin'ny fo fanahy sy saina

Fitia tsy manank'antenaina

Fitia voafehy anaty teny iray hoe ho tia anao mandrakizay

Partager ho tia

Commenter ho tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAYAN