4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nataoko ihany - Ratary

NATAOKO IHANY (RATARY & NADIA)



Nataoko ihany, izay nitia

Mba hihazonana anao, hihazona ny tokatrano

Tsy mety anefa ny rehetra

F’Herimpo very maina mila hanaraka ny aina



Nataoko ihany izay mba tinao

Niezak’aho mba nanao izay rehetra sitrakao

Tsy mety anefa, lasa ianao

Lasa ianao navelanao hangirifiry rery aho



Nalahelo, tsy hita anefa, mba ho aiza , rehefa tsy eo ianao

MAlahelo, tsy hita anefa, mba ho aiza , rehefa tsy eo ianao



Nataoko ihany, ny hanadino

Nefa sarotra ny hamafa, reo zavatra efa lasa

Reo tambitamby, fifaliana

Ny endrika navelanao,hamafako ny fahiny



Nataoko ihany, ny hanonofy

Ny hanonofy anao indray hiverina eo anilako eo

Nananihany, zany rehetra izany

Toa tsy misy tavela, mampatsiahy ahy ny ela



Alahelo, tsy hita anefa, mba ho aiza , rehefa tsy eo ianao

Alahelo, tsy hita anefa, mba ho aiza , rehefa tsy eo ianao



Nataoko ihany, ny hanadino

Nefa sarotra ny hamafa, reo zavatra efa lasa

Reo tambitamby, fifaliana

Ny endrika navelanao,hamafako ny fahiny



O malalako o, zaho tsy hankahala ro(ny hiverenanao)

Reo tantarantsikae, tsy haiko hadinoina ny fahiny e

Hipody aminao zaho ro        eeeeeeeee

O malalako o o malalako o

Partager nataoko ihany

Commenter nataoko ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ratary