4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay sipakely nantenaina - Raoul

ILAY SIPAKELY NANTENAINA
Fa nahoana kay rangahy no dozy lava very saina
Sa ve nahodin-ndry zalahy ilay sipakely nantenaina
Nitaiza ialahy nikolokolo tsy nitandro hasasarana
Niala maina tana-polo nataony tohatra fiakarana
Eo ialahy fa vaky loha mibaby entana tsy zaka
Tsy matory tsy mifoha mivaralila midanaka
Ilay sipa kely hary elatra nikopaka nanidina
Fa ialahy tsy mba nivelatra vaomaika nitsingidina
Zao iala vao tonga saina nanao pataloha tery
Savolaina sy mangaina midola vovoka irery
Ilay sipa efa tsy hita intsony fa efa pezin-dry zalahy
Tsy mino ialahy tsy mety tony mirediredy sy mivaha
Izaoao no hafatro @ ialahy raha sipa io no tantaraina
Mba manaova fampitaha sao sendra tany karakaina
Indray mandeha manta vary ve dia handevi-tsotrobe
Reveo manja ny lasary fa any ho any be dia be
Fa nahoana kay rangahy no dozy lava very saina
Sa ve nahodin-ndry zalahy ilay sipakely nantenaina

Partager ilay sipakely nantenaina

Commenter ilay sipakely nantenaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raoul