4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Moa ve - Raoul

Moa ve diso ny tary raha somary katrin'ny fary
Sendra tafiara-dia ka raiki-pitia t@ indry
Tsy hitahita akory tafiaraka natory
Nanjary sahisahy tsy nihaihay niteny hoe
Andao mody atao hoe tia ahy ianao tia ahy ianao
Andao lazaina hoe mpifankatia izaho sy indry
Na vetivety monja, vetivety fa mafonja
Fitia tsy noterena, fitiavana tena nomena
Eny diso aho angamba tsy nihambahamba nanary lamba
Diso tia tafahoatra ka nanararaotra nisendaotra
Vao sambany nitia dia tena very dia
Toy ny adaladala nifikitra saika tsy niala
Tantara ny hatanorana tsy hay fafana tsy maintsy hombana
Tantara ny andro fahiny ka tsarotsaroana ankehitriny
Tantara ny taloha tsy natory fa nifoha
Tantara ny andro lasa mbola betsaka no kinasa
Moa ve diso ny tary raha somary katrin'ny fary
Andao mody atao hoe mpifankatia izaho sy indry

Partager moa ve

Commenter moa ve

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raoul