4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tonga ilay malalany - RAMPAL

Ilay masoandro efa dify tery

Ny olona efa tapi-mandry

Injay nisy nisioka tao ala-trano tao

Tonga ilay malalany, tonga ilay malalanao



Tapitra hatreo ilay nofy saika mamy

Niombonantsika roa

Ilay tompon-toerana no indro fa tamy

Ataoko ahoana moa, mangina rehefa voa



Raha lasa aho dia indro, indro ny anao nanakatom-baravarana

Izaho irery sisa tao ala-trano tao nanarangarana



Isika moa na dia nifankatia

Izy ilay nametraka sonia

Dia izy ilay efa nisy hatrany aloha

Izaho efa faharoa, haitraitra ihany koa



Tsy afaky hanampatra ny fo

Ekena fa marary tokoa

Maka sary an-tsaina izay ataonareo

Mionona nony avy eo mahatsiahy ilay aninkeo



Rehefa lasa izy dia hiverina ao aho

Aleoko dia faranana

Misy fetrany ihany ny fahazakako izao

Misy fiangarana



Sady manahy aho ny ho todin’izao

Rahatrizay ka manana

Ny ahy ve tena izy ny azy kilalao

Hahazo vahana



Ilay masoandro efa dify tery

Ny olona efa tapi-mandry

Injay nisy nisioka tao ala-trano tao

Tonga ilay malalany, tonga ilay malalanao



Tarika Rebika (Album Vol. III, Tanora milalao)

Partager tonga ilay malalany

Commenter tonga ilay malalany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAMPAL