4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vatofehizoro - Rambao

Malahelo isan’andro isan’andro

Mitomany mahatsiaro azy foana

Indrindra ange rehefa mody masoandro

Somambisamby eny antampon-kavoana



Ilay veloma niraisanay farany

Toa sento sisa manodidina

Nantsoiko mafy tamin’ny saiko ny anarany

Teny antseranam-piaramanidina



O antenaiko fa akaiky dia ho vita

Ny fianarana ataony any am-pita

Nefa na ho ela na ho haingana izany

Tsy mampaninona andrasako ihany

Zakaiko mora mba ho ahy samirery

Satria fitia tsy natao an-tery

Ny velirano izay efa najoro

Dia manamafy ilay vatofehizoro



Fahoriana mavesatra tokoa

Satria tsy am-bolana fa aman-taona

Izaho akory tsy hoe mamoy fo

Fa manantena tsy maintsy mbola hihaona



Eny iriko ho fitia diavolana

Andro mamiratra mandrakizay

Fiadanana izay lavitry ny olana

Handravaka ny tokantranonay



Miezaka mafy hitsinjo ny ao aoriana aloha

Fa raha tsy izany tsy misy lapa soa

Adidy maro mavesatra sy ngazana

Tsy hadino koa ny tanindrazana

N’inona n’inona onjan’ny tany

Tsy kivy akory fa andrasako eto ihany

Ny velirano izay efa najoro

Dia manamafy ilay vatofehizoro


Partager vatofehizoro

Commenter vatofehizoro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rambao