4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Teto - Rambao

Teto izahay no nanao ny fanekena

Vita tamin’ny fo madio fa sanatria tsy nisy noterena

Teto izahay no nanomboka nizara fitiavana

Tsy maty akory ireny fa nipetraka ho tantara

Teto ihany koa no nanaovanay ny voady

Velirano, visavisa ny hoavy fa hiaraka hitady

Teto daholo daholo ny rehetra no nitranga

N’inona hidona na zavatra hihatra

Dia ny hitovy saranga



Folaky ny haizina ve ka hangina

Rahampitso indray aho miandry fitsikina

Ny ho kivy sanatria f’izany ihany ny fiainana ety



Fa teto koa no niaretanay ny mafy

Nisotroanay ny mangidy sy ny mamy

Ary tsy mantsy mihafy

Teto izahay vao niandoha tsy nanana

Fa samy niady mafy mba hisy zava-tsoa am-pelantanana

Mbola eto anefa no hitoeranay hatrany

Mandra-piandry izay lahatra fiantsoana

Ka handaozanay ny tany

Mbola eto koa no hamelomanay indray fitia vaovao

Ary farany aza angamba eto no hilevenanay



Folaky ny haizina ve ka hangina

Rahampitso indray aho miandry fitsikina

Ny ho kivy sanatria f’izany ihany ny fiainana ety


Partager teto

Commenter teto

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rambao