4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rotsirotsy - Rambao



Rotsirotsim-pifaliana, tambitambin’ ny fitia

Eto an-tratranao ry tiana, no hanaovako sonia

Fa na maizim-bolana aza, na masoandro vao maraina

Sahiko eto no milaza, mandra-maty sombinaina



Efa nolazaiko anao, ny any an-tokantranontsika

Isan’ andro vaky izao, ho masoandro mibaliaka

Tsikitsiky lalandava, paradisa kely soa

Tsy avelako ho rava, ny hasambarantsika roa



Indro aho e, eto anilanao ihany

Fa eny, raha mbola tany koa ny tany,

Ianao re no tiaviko hatrany,

Sanatria tsy fitiavana adala

Ka tomany hoe malala



Izao no hafatro aminao, ny sitrakao no ataoko

Raha sendra mifandao, aza adinonao ny voady

Fa ny vavako miteny, na ny masoko mijery,

Mahazatra anao ireny, ka ataovy tsianjery












































































Partager rotsirotsy

Commenter rotsirotsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rambao