4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Modia - Rambao

Olona maro, indreo mitafa tantara

Eo am-pototry ny afo variana

F’izaho kosa, izaho sy ny gitara

Malahelo anao mafy ry tiana.



Ilay diavola-mitsilopy teo no namoha ahy

No mamoaka nampatsiahy ireo lasa taloha

Modia re fa sasa-miandry tsy tafandry.



Aza dia maharitra ela fa mangina ny fitiavako

Ranomaso lava izao no miraraka amin’ny tavako

Tsarovy tsara fa misy fetra ny tany

Koa faingana sao lahy very ihany.



Moa hadalako ny miondrika irery

Tsy matory lava izao, manina anao

Vatana efa trotraka, saina verivery

Izany re no mianjady hatramin’izao.



Aza dia maharitra ela any ianao fa haingana

Ilay velirano efa vita ve no analana

Mangina lava mila tsy ho tamana eto an-tanàna.



Taratasy lava izao efa reraka ny maso

Mba rahoviana ihany lahy vao hifarana ny ankaso

Tsarovy tsara fa misy fetra ny tany

Koa faingana sao lahy very ihany.



Moa hadalako ny miondrika irery

Tsy matory lava izao, manina anao

Vatana efa trotraka, saina verivery

Izany re no mianjady hatramin’izao.



Aza dia maharitra ela any ianao fa haingana

Ilay velirano efa vita ve no analana

Mangina lava mila tsy ho tamana eto an-tanàna.



Taratasy lava izao efa reraka ny maso

Mba rahoviana ihany lahy vao hifarana ny ankaso

Tsarovy tsara fa misy fetra ny tany

Koa faingana sao lahy very ihany.

Partager modia

Commenter modia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rambao