4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahereza - Rambao



Vizana ve no tsy mahateny intsony

Sa efa boboka ny fony

Izay mangina volamena

Izany koa no fahendrena



Mahareza re f’izay no onjan’ny tany

Mionona hatrany hatrany

Efa napetraka ho tantara

Izay lasa rehetra hatrany am-para



Izay angaha no fetra efa voasoratra any

Mitraka f’izao re no ankason’ny tany

Any andro iray ho avy hamalifaly anao

Andro mitsiky vaovao.



Sompatra hoy ianao kanefa ataovy an-tsaina

Fa tsy izay rehetra antenaina

Dia ho tanteraka avokoa

Fa ao ny tsy hary, ao ny soa



Mahareza re f’izay no onjan’ny tany

Mionona hatrany hatrany

Efa napetraka ho tantara

Izay lasa rehetra hatrany am-para

Partager mahereza

Commenter mahereza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rambao