4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hazo fijaliana - Rambao

Mangeja loatra ny ziogan’ny ankaso

Mila hamono hanakenda mandatsa-dranomaso

Enta-mavesatra no mbola ho zakaiko

Mba hatataovy kely ange fa reraka ny aiko

O! nankaiza ianao ry vintako ô!

Moa ve dia nandao

Ry fijaliana ô ! aza hitako

Matesa any hianao

ÔÔÔ! mampitomany

’Zany fiainan’an-tany



Toa very lalan’aho kanefa be adidy

Rahoviana ihany no ho foana ’ty kapoaka mangidy

Toa sambo rendrik’aho ka diso fitobiana

Esory amiko ry Ray ô ’ty hazo fijaliana

O!toa tany karakaina ho’aho

’Zao misy ahy izao

Moa ve hijaly ’zany saina

Ry lanitr’ô ambarao

ÔÔÔ ry tany

Aza mampitomany



Mavesa-danja re ’zany entako izany

Mba ampindramo tanana aho eh fa honerako ihany

Nanandran’aho ny mba hanao dia mianoatra

Nefa tandindona no teo dia ny lalan’any ankoatra

O!mba zovy loatra ho’aho ry lahy no hafaka hanala

Hanal’ahy tsy amin’ahiahy

Ami’ty rano mamanala

O!ry sompatr’ô nahoana

No dia mandrava laka foana

Partager hazo fijaliana

Commenter hazo fijaliana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rambao