4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hanaraka anao tsy haditra - Rambao

HANARAKA ANAO TSY HADITRA



O ry Tompo ô!

Hanaraka Anao tsy haditra aho

Fa fitiavana tsy mety ritra

No efa natolotrao

Izany masoko mipitrapitra

Mitoreo mitalaho

Aza avela irery

Sao mitady ho very

Isan’andro mba omeo izay anjara masoandro



Ry Jesôsy ô!

Arovy aho re mba ho tafarina

F’efa miezaka foana isan’andro e!

Mba hilaza ny marina

Malahelo ny fo ato anaty

Toa marary tsy ho tanty

Raha tsy tonga eto ianao

Hitondra hery vaovao

Ho anay mpanompo, avia re ry Jesôsy Tompo



Fa ny foko izay manana fanantenana

Dia finoana hidirako any Kanana

Ary ny andro izay mbola hihainako sisa

No hidiovako hizorako any am-paradisa



O ry Tompo ô...

Partager hanaraka anao tsy haditra

Commenter hanaraka anao tsy haditra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rambao