4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fo mifankatia - Rambao

Na sarotra aza ny dia

Ka mafy ny manjo

Ny hiran’ny fitia

Ventsoy ao am-po

Na lavitra aza ny aleha

Izao hirako izao

Hanambara hoe

Ny foko lasanao



Fitia saro-bidy tsy zaraina

Atolotro anao sombinaina

Fa na maizina aza ny lalako

Ny hirako hirao, fitiavako



Ny sisa androko moa

Nafoiko ho anao

Nohadinoiko avokoa

Izao rehetra izao

Ry lanitra ô jereo

Arovy re ny dia

Tsinjovy sy ekeo

Fa fo mifankatia



Ny voarin’ny tontolo vao maraina

Handrotsirotsy fo mitaraina

Ka na aiza anie misy anao

Ity ny foko raiso anjakao



Na sarotra aza....



Ny hirako hirao, fitiavako

Partager fo mifankatia

Commenter fo mifankatia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rambao