4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soa ny manan-droa - Raindimby

Tantara tena soa ro tarognina eto

Ny iray ho an’i Andriamatoa

Ny iray ho an’i Ramatoa

Efa manambady fa tia roa

Azafady aho Neny Soa



ref :(in-2)

Angamba soasoa e

Angamba soasoa a

Angamba soasoa sy metimety ny manan-droa



Tonga ny alatsinainy

Soresorena koa Ingahirainy

Fa malahelo an-dRafikabe

Dia mamorona tournée

Ilazana koa Ramadama

Fa raharaha tsy azo ialana



Ref



Io no lasa i Ramose

Ramatoa mi-"téléphoner"

"Ramose est absent ka malalaka ny la voie"

"Efa vonona ny repas" dia "tongava malaky ialahy"



Réf



Raha tsa mba mety avony

Ny raharaha ohatr’itony

Matetika mifankatratra

Dia mifamono sy mifandratra

Dia mifarana teo ny angano

Ilay faharoa no lasa tompontragno



Réf



Soa ny manan-droa lehiretsy (in-2)

Soa sady mahavoa letsy (in-2)

Miaina amin’ny trano roa letsy

Roa ny mpikarakara letsy

Roa koa ny farafara letsy

Fa ny vola ro lany zara letsy (in-2)



Ok !



Ampela ao Imerina ao

Kilonga ampela milaolao

Andavanandro an-dRangahy vady

An-dRasakaiza amin’ny alahady

Iroalahy any tsa mba miady

Fa mpifankatia sady kamarady



Ref



Kilongalahy Betsileo

Kilongalahy tsa mba mitoreo

Ny ao an-dragno vorivory sandry

Ny agny ivelany malandilandy

Fa matetika dia vaky loha

Fa mamelogna tragno roa



Tapitra teo ny hira

Fa tapitra ny tafasiry

Tarogniko anareo tokoa

Fa ny miaina eto dia tsa indroa

Koa araraoty ny mahafinaritsa

Ny manan-droa eko tsa mba sarotsa



Réf

Partager soa ny manan-droa

Commenter soa ny manan-droa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raindimby