4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tssss - RAH-CKIKY

Ry mpandray an-tendro tsy mahazaka frapy e

O ry mpitsara ivelany be mpanaratsy

Nefa kobaka am-bava be foana ny an’ireo

Ka mba henoy tsara sy jerijereo



Faly misambadidaka vao mba mahay mikôzy

Dia ny mitsangam-bolo amin’ny quelque chose

Mifanenjika foana isan’andro isan’andro

Mifanakona amin’ny anjara masoandro



Ireo fianakaviana tsy faly hava-manana

Na ny vady ao an-trano aza amboarin’ny namana

Ka dia tsy misy intsony fifampitokisana e

Nefa ny adin’alika aza mety mivintrana



Raha ny enjikenjiky ny eto an-tanana

Na fianakaviana na koa bandy akama

Tsy atao hampifezaka re ry madama ô

Tandremo ny lalan-kaleha fa malama



Hoa anareo mpirafozana malaim-binanto ô

Izy anie mba tiako ô izaho koa mety ho anjarany

Fa raha mbola hifandrafy anie isika ato ho ato ô

Leo aho ka io izy ampanambadio ny anadahiny



O mama ô mama ô

Lehibe lehibe




Partager tssss

Commenter tssss

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAH-CKIKY

Suite