4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tranovato - RAH-CKIKY



Mmmm…

Efa manakaiky ilay ora farany, hiainako ety

Ka ho foana ny tantarako, ahiahy

Dia ho kôziako ireo akama, sy ny havako rehetra

Fa mpivahiny sy mpandalo hono aho,

ny daty koa tsy ho voafetra



Dia tonga ny andro, handaozako andry

Hisaraka aminareo aho  ka, hihazo ny habakabaka

Hitomany ianareo hivazavaza, hangina ireo mpankafy

Fa ho tantara mantsy hono ilay vazo ô,

ny rangolahy koa hibànaka



Ilazao ireo akamako hiari-tory, aza avela hitomany

Fa izaho tsy maty fa ‘ndeha hody,

hiakatra any an-danitra any

Aza asianao hiram-pivavahana raha miandry ahy,

manorisory sy mandrangitra

Fa Rah-Ckiky hatramin’ny aloha ela be,

no efa zanak’Andriamanitra



Hovazoin’ireo akama ,ny tsapiky sy ny malesa

Indrindra ireo morceaux jazz  ê, sy ny mavesatra rehetra

Aza adinonao ny ragga, zook  rap  reggae

Araho slow misy a cappella, dia ho sambatra iê iê



Veleso ny lamako, mitsangàna koa mandihy

Ataovy an-tsaina hoe : fifaliana be ity

Raha sendra misy alahelo, no mandalo an-dohanao any

Mipetraha an-dohako eo ka, ampireheto ny vinany



Ity no tena hafatra, tsy biscuit hoe na bonbon

Raha sendra ts’isy lambamena hamonosana ahy,

ts’isy quoi na dia rideau

Fa ny fanahiko mbola hihira, na ho any an-koatra rô

Koa miangavy anao an-tanan-droa aho, ampiondano micro



Ity no tena hafatra, tsy biscuit hoe na bonbon

Raha sendra ts’isy lambamena hamonosana ahy,

ts’isy quoi na dia rideau

Fa ny fanahiko mbola hihira, na ho any an-koatra rô

Miangavy anao, miangavy anao ampiondano micro

Miangavy anao ho’ah ‘zah’ ê, ampiondano micro



Ampiondano an’azy ho’ah ‘zah’          

Izy ampiondano an’ah’         

Rehefa hiapa eto an-tany

Hody any an-danitra any         

Izy irery izy ihany

No voan-dalana entiko any

Hirahira ilay mozika ê       

Nampifankatia antsika



Ampiondano an’azy ho’ah’zah

Izy ampiondano an’ah’

Rehefa hiapa eto an-tany

Hody any an-danitra any

Izy irery izy ihany

No voan-dalana entiko any

Hirahira ilay mozika ê

Nampifankatia antsika



Ampiondano micro (5 fois)

Ampiondano micro ho’ah’zah

Ampiondano micro (2fois)

Partager tranovato

Commenter tranovato

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAH-CKIKY

Suite