4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miiba 2 - RAH-CKIKY



Ala nenina, enta-mavesatra

No nentiny taminao teny an-d’hopitaly

Saingy indro tsisy kôzy tsisy resaka

Tsy voatàna ianao fa dia lasa ihany

Vavaka ve no tsy natao

Andriamanitra ô, izy mandohalika aminao

Saingy indrisy, ilay andefimandry ve?

Nalainao, nalainao.

Tsy nahalala izay mba ratsy vitany aho

Ka nahatonga an’izao

Fa raha sendra nisy izany,

Ianao ilay mpanafoana ny tomany

Mba fafao

Tsy ampy ve, ilay olon-tiany

Fa nampianao ilay zanaka ao an-kibo

Nalainao, nentinao, complot, gros lot

Tomany izy e!, navelanao nijaly

ô ny aiko marary, nilaozanao any

Tomany izy e!, navelanao nijaly

ô ny aiko marary, nilaozanao any.

Telo taona nampisakaiza izy ireo,

Nampiana herintaona vao nivady

Fiainana tsisy tomika, revy manifika

Zary toa nenina sahady.

Saingy izao toa zary fahatsiarovana

Navelan-dry tao an-trano

Rehefa tojo, tsinam-bolan’iny izy,

Malahelo anao, manganohano

Asa re! hanahoana ilay fihetseham-po

Raha hamadika ny taolam-balonao

Hampitambatr’ilay nofon-jazakely

Ho fonosina miaraka ao

Hivimbinany lamba fotsy amin’izay andro izay

Hahatsiarovany ilay mariazy

Ka hitokatokana eny am-body fasana eny izy e!

No hanala azy

Tsy misy masinina any

Tsy kobon’ny soavaly

Tsy tongan’ny rôplanina

fa lavitra be hono any

Safidy tsy satry

Tsy mirevy aho dia katry ho’a

lahatra, tsindron’antsy

Mampiteny ratsy ahy!!!!!

mmmmmmhhhh

Partager miiba 2

Commenter miiba 2

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAH-CKIKY

Suite