4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mi sy la - RAH-CKIKY

Tsy tantiko ny mahita anao mitsôdatsôda be amin’iny e !! hhuhm!

Tsy tantiko ny mieritreritra fa ianao io mandrimbaniny ahy

Tsy zakako ny mandinika fa ianao no haron’ny tanany ee !!

Fa tiako raha mba izaho irery ihany no manao an’izany

Tsy tiako ny fitia mifangaro matoa izaho saro-piaro anao

Ka n’inon’inona mety ho fahalemeko

Dia izaho irery ihany ny ahy no reveko !!!

Ka n’iza tady handrombaka fitia ka mitady hiray vilia aminahy

Dia tsy afa-tsy izaho irery ihany no lalao sy mandeha ihany io e !!



Ref: Tiako raha mba ny saokako irery ihany no nosonavin’ny tananao e/

        Reviko raha mba ny vavako irery ihany no rarahan’ny hivinao

        Satriko raha mba ny tavako irery ihany no jerejeren’ny masonao e !!

        Miangavy, miangavy, miangavy, miangavy aho

        Miangavy aho mba ho izaho irery ihany !!!

        Miangavy aho mba ho izaho irery ihany !!!



Fa ny ahy izao anie  ity guitarako ity dia izaho irery ihany no mitendry azy

Izaho izao manaboatra setroka dia izaho irery ihany no mievoka

Fa ny ahy izao ny masoandroko dia iray ka izaho irery ihany no mahare mamay

Sanatria tsy hoe izaho no tonga lafatra  fa tsy maintsy manafatrafatra e!

Fa raha fitia, gafigafy, izaho anie tsy te hiafihafy

Izany tsy hoe ditra na fanerena fa tamim-boalohany no nifanekena io e !!

Fa raha fitia mampijaly izaho anie hoa tsy voajaly! (t@ taratasy tokana e!)

Fa mba toka-po toy ny siny ka tsy mahalala afa-tsy rano io ee !!



Ref: Tiako raha mba ny saokako irery ihany no nosonavin’ny tananao e/

        ………………………….



Ref: Tiako raha mba ny saokako irery ihany no nosonavin’ny tananao e/

        Reviko raha mba ny vavako irery ihany no rarahan’ny hivinao

        Satriko raha mba ny tavako irery ihany no banjinin’ny masonao

        Avelao, avelao, avelao, avelao aho

        Avelao mba ho izaho irery ihany!!!! (tsy mifangaroaro io!)

        Izaho irery ihany dia izaho irery ihany!!! (tsisy afa-tsy izaho io!)


Partager mi sy la

Commenter mi sy la

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAH-CKIKY

Suite