4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry fanadinoana - Rafidison Raymond

Ry fandinoana ô avia

Avia ampio aho satria

Izy iny milaza ho tsy tia

Kanefa he manjohy izany dia

Tsy andro tsy alina izany

Fa indro toa hitako ihany

Mitsinjo manjohy ahy hatrany

Ny endriky ny havako izany

REF(2f)

Anio ianao maneso

Kanefa hoy aho andraso

Tsy vitan’izay voninkazo

Ka ela ve tsy halazo?

Izao ve ianao vao halala

Hitodika hiantso ahy "malala ô"

Moa avona ve sanatria

Raha toa ka valiako hoe "tsia"



Koa samia, samia mahaleo mahalasa

Samy miandry, izay ho fivadiky ny rasa

Fa raha fitia no miavon-tsahala

Izay tia re no adala

Saingy avom-pitia, sangodin-tandrimo

Mahafanina re ka tandremo.

Partager ry fanadinoana

Commenter ry fanadinoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rafidison Raymond