4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsiambaratelo - Raboussa

TSIAMBARATELO



Ho anahy ilay nandeha singany nitady anao tao anatin’ny maro

Ny anaranao foana no mitamberina ao an-dohako isak’izay mahatsiaro

Fantaro, fa na lavitra aza ny lalana dia ny ho tody ny ahy no ao an-tsaiko

Andrandraiko ny aingam-panahiko miteny fa ianao no ilaiko

Ianao no aiko, afo kely mirehitra tsy mety maty ao @ foko

Inoako f’ianao no afaka hamadika ny marina izay no disoiko

Mena ny loko,

Fa ny fahazavany irery no afaka manambara :

F’ianao no anjara hatrany am-boalohany ka hatrany am-para

Tantara tsy voarara tsy ho an’izan’iza tsara zary tsy ambara

’Zay voasoratra rehetra rehetra ho anao fa henoy tsara

Raha misy mandrara na kôzy miainga hoe mety handratra

Matokisa anahy fa ’zaho ’lay enjehina nefa tsy mety ho tratra

Ny aingam-panahiko hivatravatra hanevako anao manontolo

Tiako ianao averiko in-22 misy anao de lavorary ny tontolo

Tsy mena fa mainty ny lolo

ny fitiavako tsy voafehin’ny teny

Nekeny, f’ianao irery no hany mba fandreseny

REF

Tsiambaratelo, Tsiambaratelo f’ianao no tiako

Tsiambaratelo, Tsiambaratelon’ny fifaliako

Tsiambaratelo, Tsiambaratelo foana ny tantarany

Tsiambaratelo, Raboussa ny anarany

Tsiambaratelo, tsiambaratelo mifono ny hafatra

Tsiambaratelo tsy takatra tsy ho sasatra, ankamantatra

Tsiambaratelo, Tsiambaratelo foana ny tantarany

Tsiambaratelo, Raboussa ny anarany

Ho kalokalo avy lavitra no hampisiko anao ny endriky ny fitiavana

Noho ianao de ihafiko hatram’fihetsiky ny fandavana

Fa ianao dia ho ampy hafanana ho ahy amin’ny andro ririnina

Tiako ho fihinina,

Na lavitra aza tsy maninona

Vao banjinina ny masonao de midika ho fanantenana

Tsy tiako ho zarana

fa aminao ny hatsarana ahavitako mandika lalàna

Raha tsy eo ianao de ny tany rehetra ho tonga maizikitrotra

Ny alahelo misikotra ny ranomaso tena tomany aho fa tsy ditsoka

Fa milay e ! SIKS ! ianao no farany avo tsy misy intsony ao amboniny

Vao mitsiky ianao defa betsaka ny zavatra tononiny

Zay nofy efa nosongoniny sady miankina aminao ny radem

Ho an’ilay fahasambarana anakiray hatram’zao tsy notenenina

Nafenina, nefa mino aho fa ho avy ny fotoana

Sa ho maizina ny lalana de na izaho sy ianao aza tsy ho tafahaona

De aôna ? Mbola anjarako indray ve no tokony hisaona ?

Fa ny endrikao de hanome ahy fanantenana foana foana



REF…..



Tiako, tiako, tato amiko ilay fitiavana no nokobonina

Ny aingam-panahy rehetra rehetra tonga ho azy ny ahy fa tsy noforonina

Nangonina, ny rima ilazana ny fitiavana tsy mety ho ritra

’Zaho maditra fa avy any aminao ny fahendreko no miampita

Ho tafita, na ratsy aza ny omaly, ny rampitso ho favy

Ho fandresena miandry antsika amin’ny fotoana rehetra rehetra ho avy

Kôzy zany ranabavy : fa eo akaikinao ny paradisa

Ny teninao anankiray dia ahavitako rima an-tapitrisa

Mba ialako tsiny amin’ny teny tsy mendrika, tsy nandravaka

Fa olombelona aho mandia tany ka indraindray aho mety ho solafaka

Na dia izany aza aho hivavaka ho eny aminao foana ny hatsarana

Dia tsy hangatsiaka mihitsy ny foko fa ho difitry ny hafanana

Dia ho feno anahy ny tanàna, hanafenako ny tsianbarateloko

Isaky ny misokatra ny vavako dia ny anaranao no averimberiko

Nefa raha tsy tianao aho dia tsy alaheloko

Fa ’zay ’zany e !

Dia misaraka

Adinoy aho fa ho avy indray ny anjarako manaraka



RABOUSSA

Partager tsiambaratelo

Commenter tsiambaratelo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raboussa