4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tontolo lavorary - Raboussa

Tontolo lavorary ho fahatsiarovana ireo lalana nodinganina

Tontolo lavorary ho an’ilay fiainana toa tena izy nefa indramina

Tontolo lavorary ho an’i zandry kely mipetraka mijery ny mpandalo

Fahorianyomaly androany iny ataoko kalo

Iresahako ny fahasambarana izay tsy akaiky azy nefa tazany

Raha izay no lova avy amin’ny tandrazany

Ka iantsapazany

Tontolo lavorary ho an’ny mpandresy tsy  nomena ny seza fiandrihanany

Tontolo lavorary ho an’ ny mpidera tsy sasatra nanangana ny tanany

Tontolo lavorary ho an’ ny akama iray nanohy ny lalany ampahanginana

Tsy nieritreritra ny hoe hifaninana

Nanokantena ho an’ny fandinihana

Angamba tsy nasiany sira ireo mpanakiana mitetika ny hampijaly

Na voa aza mangina chut aza mamaly

Tontolo lavorary na dia ts’isy vokany aza nanaovana ny aina tsy ho zavatra

Tsapako, zah mpanatanteraka fa tsy mpandahatra

Tontolo lavorary ho an’ ny hafatra masina izay nosoratako

Tontolo lavorary ho an’izay fandresena tsy natao ho fantatro



Ref: Zah rery lemandeha singany

       Toa ts’isy tamingana

       Voafingana

       Mamita dingana

       Tontolo lavorary ny ahy ka tsy ho ringana

       Voasingana

       Ampahendrena ny ahy ny marina

       Tsy ampianarina

       Zay mba fantarina

                     x2



Tontolo lavorary ho an’izay nagataka nefa tsy nomena

Tontolo lavorary  ho an’izay maty  teo ampitadiavana ny lokon’ny fandresena

Tontolo lavorary ho an’ilay fifaliana nilay fa tsy naharita

Tontolo lavorary ho an’ny olon-tiana nojereko nefa nangarika

Tontolo lavorary ho an’ny teniko mahatonga ny zavatra tsara ho tanteraka

Toa haveriko foana ny teniko raha ohatra aho ka mbola tsy reraka

Hameranako ireo fotoana sarobidy izay nandalovako avy eo nafoiko

Ny eritreritra sisa no finoako

Tsy mety miverina nefa tondroiko, antsoiko

Fa ny akonyno mamaly hoe zah no diso

Zah nefa mahafantatra fa ny ho avy afenin’ny rahampitso

Tontolo  lavorary ho an’izay mbola mahatoky fa misy ny fanantenana

Tontolo lavorary ho an’izay tamin’ny hatsiaka nitady hafanana

Fahagagana, napetraka tamin’ny tontolo hary fomba

Sarotra alamina na tsara famindra aza nitrosona

De tôn e tôn

Tontolo lavorary ho an’ izay niezaka hatramin’ny farany ka hatramin’ny voalohany

Tontolo lavorary na dia tsy nisy vokany izay hatsembohany



Ref x2



Tontolo lavorary ho an’ izaynitady an’ialahy ry fandriampahalemana

Tontolo lavorary fa tsy maintsy maifara amin’ny fandevenana

Tontolo lavorary ho an’ny akama ho fanomezam-boninahitra

Nampivoaka ny aingam-panahy tao am-poko tsy nety nitsahatra

Tsara lahatra, tantaran’ny lalana tamin’ny tontolo

Toa didy folo, lazaina fa ratsy nefa tsy mety voasolo

Tontolo lavorary ho an’ ny fanadinoako nyfiatiavako  sy ny finoako

Tontolo lavorary, angamba izany tsy hadisoako

Tontolo lavorary ho an’ny rimako hampiteny ny moana

Ohatran’i Ra-double-enina mamela hafatra anatin’ny tasy ohatran’ny mercurochroma

Hampisaona an’ireo izay tsy mino fa ny tany no tontolo hary fomba

Anisany Raboussa, amin’ny lalana iray tsikombakomba

Tsy misomonga, tantara natomboka fa mbola sy hifarana

Fidinana sa fiakarana

Ny aingam-panahyno solon’anarany

Fa aleo ho an-dRaboussa ny tadidy rehetra nankarary

Tontolo lavorary ieh ieh tontolo lavorary



Ref









Mankasitraka izay rehetra mandray

Mankasitraka an’ireo izay tsy mihevitra ny rap ho tsara

Mankasitraka an’ireo izay tsy mihevitra ny mpanao rap ho mpanamôly na mivika

Mankasitraka an’izay fahavaloko

Partager tontolo lavorary

Commenter tontolo lavorary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raboussa