4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satria enao - RABOUSSA

Zanahary ô!
mba henoy ny vavakay ,
anaty haizina ,miantso , 'lay feo anakiray
indraindray,ny eto an-tany tebitevy foana
Ady etsy sy eroa
"Lay zandrikely maty noana

Oh mba jereo ,oh mba jereo
Fa miantso anao ,
miandrandra manantena ilay fianambaovao
Manaiky 'zay fa mpanota
Nefa aza arina
Esorinay ny adalana ts ho ataonay fananina

Nefa indarindray , sarotra ny miaina ety
lolom'po ,vali-faty fa tsisy fitia
Aiza ianao Zanahary
'Zay mila fanampina
Omeo hery izay fa mbola miady amin'ilay tsy fisiana
Manjaka ny herisetra
Isam'minitra , isan'ora
Satria mitady vola amin'zay fomba moramora
Dia mitalaho aminao , henoy ny vavakay
Satria ianao , MLAY

Miantso anao ,midera anao
Fa mpanot'izahay
Raiso ny vavakay
Mba jereo fa miantso anao ,
Miandrandra fianam -baovao
Satria enao ...

Ankotr'zay Zanahary ,
Ty misy vavaka iray
Mikasika ny tarika Raboussa fotsiny indray
Manaiky 'zay fa mpanota
Be ireo teny maloto
Mbola betsak'ireo miantso anay hoe "jiolam-boto "

Omeo hery izahay
Fa mba itodio , Oh mba jereo
Izay midera anao
Miventso 'zay , mampiara peo

Omeo hery 'zay, hafahanay miala @ ditra
Omeo hery 'zay , hafahanay manohy mozika

Ho an 'i Tom ,
Atombok'amin'ny lehilahy ,
Bandy 'reny de indraindray tratran'ny fakampanahy
Mba henoy ,'lay vavaka avy @ Dj Team
Satria tsisy afaka iankinany hafa tsy ianao tsinona
Mba jereo i Fy
"Lay sipa iray ato aminay
Omeo azy , izay tokony ho hitanao fa milay
Mlay Satria enao Mlay RAY

Miantso anao ,midera anao
Fa mpanot'izahay
Raiso ny vavakay
Mba jereo fa miantso anao ,
Miandrandra fianam -baovao
Satria enao ...


Partager satria enao

Commenter satria enao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RABOUSSA