4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpandresy ambonin'ny mpandresy ... - Raboussa

Avy aty amin-dRaboussa
Ho fiovana manobmoka androany
Mpandresy ambonin'ny mpandresy

Raha mba vavaka no nataoko mba hiandrandrana ny fahombiazana
Fa maninona ny valim-bavakono miafara amin'ny hidy vazana
Ka mbola nandramako, fa mandram-piandry ho tohizako ny lalako
Fa maninona no misy ny mahantra dia misy ny manakarena
Fa maninona amin'ny loko mbola misy mena ambonin'ny mena
Fa maninona hatrizay no alahelo foana no nosoratako
Fa maninona hatrizao misy fandresena tsy mety fantatro
Ka zakako, manomboka androany aho hiaraka ami'ny fiovana
Mba ho mendrika ho Raboussa isak'izay miodina eraky ny tanana
Amin'izay aho ho adimizana, ho mpandresy tsy maty vonoina
Hiaraka ami'ny rehetra rehetra ny herin-tsaiko tsy ho azo lotoina
Goavana, tsy azo kasihina nefa misetrasetra
Fa ao anatin'ny rà-ko no mikoriana ny soratra ho bonetra
Ami'ny rehetra rehetra, manomboka androany zany no hisesisesy
Ho mpandresy ambonin'ny mpandresy

Na henika tomany aza ny tany ho mandrakizay
Vao maika mialay, ny anarako hodorana fa tsy may
'Zay fa aty amiko ny fiovana hisesisesy
Ho mpandresy ambonin'ny mpandresy

Raboussa, ialahay ilay matetika niaina tanatin'ny mangidy
Ialahay ilay natahorana ka nahita volana alohan'ny biby
Ilahay ilay niavaka, raha tamin'y fiaraha-monina
Ialahay ilay nikozy hoe enjana aho f na izany aza tsy azo songonina
Ambony ny herintsain'ialahyna dia betsaka aza ny kitakita
Fa amin'ny fiainana, ny fahendrena tsy maintsy ho resin'ny maditra
Fa hi tafita, izay ilay hetaheta mihoatra ny finoana
'Za tsy milona, handalo fotoana ka ny anarako tsy maty vonoina
Raha misy manakiana, aleo izany ho an-dry lehirony
Fa ny tantara ni hitsara tarafin'ny masoandro avy any ambony
Izany no hetahetan'ny fony , fa ny naoriko tsy ho rava
Vao mipoitra aho dia fandresena no hita misoritra eny amin'ny tava
Tsy ilaina mikozy na teny iray fotsiny aza avy ao am-bava
Fa 'za ilay mazava tanatin'ny aizina,zay fotsiny dia ampy hilaza
Tsy an-jaza, hanomboka androany ny fandresena hisesisesy
Ho mpandresy ambonin'ny mpandresy

Na henika ...

Misy ny fiovana mba hitoetra foana ato anatiko
Ahafahako mandresy izay rehetra rehetraizay tsy tantiko
Dia ny honjohonjoko mandeha singany hiala hisinda raim
Amin'izay ho bonetra araky ny efa nokoizan-dRabaina
Dia ny ratsy omaly, androany iny ny ho lavorary
Aingam-panahy sy ny haren-tsaiko ho anisan'ny zava-boary
Ho zanahary, lalan-kizorako tsy misy hikipiana
Henoko ny fiovana ato anatiko ao mibitsika ahy mangina
Fihafiana, tomany, taloha anisan'ny fahazavana
Fa ho tafita 'lay tsy laitran'ny balan'ny fananarana
'Zay ny anarany, midika fandresena ho mandrakizay
Teneniko foana foana in-telo, in-droa, in-dray
Dia na lavo aza tsy hiondrika fa vao maika hitraka
Ami'izay no ahatsapako fa izaho no tompon-daka
Mangina ny tsy mahazaka, manomboka androany ny fandresena hisesisesy
Ho mpandresy ambonin'ny mpandresy ...


Partager mpandresy ambonin'ny mpandresy ...

Commenter mpandresy ambonin'ny mpandresy ...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raboussa