4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpandresy ambonin'ny mpandresy - Raboussa

MPANDRESY AMBONIN’NY MPANDRESY



Avy aty amin-dRaboussa

Ho fiovana, manomboka androany

Mpandresy ambonin’ny mpandresy





Raha mba vavaka no nataoko mba andrandrana ny fahombiazana

Fa maninona ny valim-bavako no miafara amin’ny hidy vazana

Ka mbola handrasana ilay fiovana  hatrizay tsy namako

Tsy mbola nandramako, fa mandram-piandry ho tohizako ny lalako

Fa maninona no misy ny mahantra dia misy ny mpanankarena

Fa maninona amin’ny loko mbola misy ny mena ambonin’ny mena

Fa maninona hatrizay no alahelo foana no nosoratako

Fa maninona hatrizao misy fandresena sasany tsy nety fantatro

Ka zakako, manomboka androany aho hiaraka amin’ny fiovana

Mba ho mendrika ho Raboussa rehefa miodina erakin’ny tanana

Amin’izay aho ho adimizana, ho mpandresy tsy maty vonoina

Hiaraka amin’ny rehetra rehetra ny herin-tsaiko tsy ho azo lotoina

Goavana, tsy azo kasihina nefa misetrasetra

Fa ao anatin’ny rà-ko no mikoriana ny soratra ho « bônetra »

Amin’ny rehetra rehetra , manomboka androany izany no hisesisesy

Ho mpandesy ambonin’ny mpandresy

Ref (2)

Na henika tomany aza ny,tany ho mandrakizay

Vao maika milay, ny anarako ho dorana fa tsy may

‘Zay ka aty amiko ny fiovana hisesisesy

Ho mpandresy ambonin’ny mpandesy

Raboussa, ialahy ‘lay natetika niaina tanatin’ny mangidy

Ialahy ilay hatahorana ka nahita volana alohan’ny biby

Ialahy ilay niavaka, raha tamin’ny fiaraha-monina

Ialahy tsy nikôzy hoe henjana aho fa na izany aza tsy azo songonina

Ambony ny herin-tsain’ialahy na dia betsaka aza ny kitakita

Fa amin’ny fiainana, ny fahendrena tsy maintsy ho resin’ny maditra

Fa ho tafita, ‘zay lay hetaheta mihoatra ny finoana

‘Za tsy milona, handalo ny fotoana ka ny anarako tsy maty vonoina

Raha misy manakiana, aleo izany ho an-dry lerony

Fa ny tantara no hitsara tarafin’ny masoandro avy any ambony

Izay no hetahetan’ny fony, fa ny naoriko tsy ho rava

Vao mipoitra aho dia fandresena no hita misoritra eny amin’ny tava

Tsy ilaina mikôzy na teny iray fotsiny aza avy ao am-bava

Fa ‘za ilay mazava anatin’ny haizina, ‘zay fotsiny dia ampy hilaza

Tsy an-jaza, hanomboka androany ny fandesena hisesisesy

Ho mpandresy ambonin’ny mpandresy

Ref (2)

Na henika tomany aza ny any ho mandrakizay

Vao maika milay, ny anarako ho dorana fa tsy may

‘Zay ka aty amiko ny fiovana hisesisesy

Ho mpandresy ambonin’ny mpandesy

Misy ny fiovana mba hitoetra foana ato anatiko

Ahafahako mandresy izay rehetra rehetra izay tsy tantiko

Dia ny honjohonjoko mandeha singany hiala hisinda « rem »

Amin’izay ho bônetra araka ny efa nokôzian’ny Ra-baina

Dia ny ratsy omaly, androany iny ny ho lavorary

Aingam-panahy sy ny haren-tsaiko ho anisan’ny zava-boary

Ho zanahary, lalan-kizorako tsy misy hikipiana

Henoko ny fiovana ato anatiko ao mibitsika ahy mangina

Fihafiana, tomany, taloha anisan’ny fahazavana

Fa ho tafita ‘lay tsy laitran’ny balan’ny fananarana

‘Zay ny anarany, midika fandresena ho mandrakizay

Teneniko foana foana intelo, indroa, indray

Dia na lavo aza tsy hiondrika fa vao mainka hitraka

Amin’izay fotoana izay no ahatsapako fa ‘za no tompon-daka

Mangina ny tsy mazaka, manomboka androany ny fandresena hisesisesy

Ho mpandresy ambonin’ny mpandresy



Ref

Mpandresy ambonin’ny mpandresy : vavaka iray ho an-dRaboussa mba ho biby eny amin’ny lalana, mba ho mendrika ho Raboussa rehefa miodina eny amin’ny tanana, dia ho bônetra @ rehetra². Nefa izany lalana mpandresy ambonin’ny mpandresy izany Raboussa, mbola misy mpamingana an’ialahy foana @ izany, mbola misy mpitifitra an’ialahy foana @ izany. Fa tadidio fa ialahy ialay henjehana fa tsy mety ho tratra. Dia rehefa tonga eny @ tanjona ialahy dia mitenena hoe izaho no tompon-daka. Rehefa tonga izay fotoana izay dia hitondray mozalia be dia be ny kôfa eny @ tanana, hahaha laingako izany ana ! Ho an’ny rehetra² mpandresy amboniny mpandresy ho fiovana , siks.



RABOUSSA

Partager mpandresy ambonin'ny mpandresy

Commenter mpandresy ambonin'ny mpandresy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raboussa