4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mitamberina - Raboussa

natoko ty vazo ity mba ikoziko ny ao anatiko
sy izay rehetra mampanahy ahy sy tsy tantiko
lay hendrikao mafinaritra mkozy oe tiko enao
nefa androany enao mlaza indray fa hoe tsy maintsy andao
fa na de zany aza mba henoy ty hirako ty
lay fehezam-bonikazo hasoloko fitia
enao ny anjeliko any alavitra any mandrampa
tonga lay ftona mbola hiaonako @la
fa androany za nilaozanao tsy fantako hoe naona
fa ny hirako n' aiza n' aiza ho henonao fonafona
raha izay no tianao de aleo hiodina ny taona
d za atao veloma fa ny hirako atovy hoe mandrapiaona

ref: sainonao tsara reo zava-bita tsika hatramizay
mitamberina fona andohako eo
namoronako vazo d nasiko feeeo

indraindray ah nefa tsy mety fa mbola mahatsiaro
lay sangy tsika taloha ao anatiko mifangaro
lay fotoana mangina tsika roa mifampijery misy dikany reny fa aleo ana samy irery
nefa rava ho azy to rao raraka
ny hetraketraky ny tany voatery nanasaraka
satria enao handeha tsy ho koboko ela be
vetivety de to lasa lavitra le
tsy za irery nefa no mahatsapa anzany
fa ze manampitiavana rehetra eto ambonin'ny tany
reveko enao akaky eo ny saiko tsinona tsy mandry
nefa mandehana fa ny any zay sasa miandry

ref:sainonao tsara reo zava-bita tsika hatramizay
mitamberina fona andohako eo
namoronako vazo d nasiko feeeo


indray andro any! enao mbola hifanena @ko indray
efa sambatra tsy ahita na tokana anakiray
de amzay tsy za no ande hanome tsiny fa efa ampy ana reo retraretra vita fahiny
de enao ijery ana de asinao tsiky kely
de za iandrandra lanitra iondrika tsy mteny
eritreritra kely oe otr'izany ve ny tany
misy fiatomboany de misy fiafarany
de zay aloha ny androany fa ny ahy hatraka ny loha
ra kof boay tsy very @zay sipa ray sy roa
ka nefa zao voafetran'ny fotoana ntsika
fa tsisy fetrany ny ahy ny hirahira sy mozika

ref:sainonao tsara reo zava-bita tsika hatramizay
mitamberina fona andohako eo
namoronako vazo d nasiko feeeo

Partager mitamberina

Commenter mitamberina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raboussa