4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandrampihaona - Raboussa

Nataoko ty vazo ty mba ikôziko ny ato anatiko

‘Zay rehetra rehetra mampanahy ahy sy tsy tantiko

‘Lay endrikao mahafinaritra mikôzy hoe tiako ianao

Androany ianao milaza indray fa hoe tsy maintsy andao

Na dia izany aza dia  mba henoy ity hirako ity

‘Lay fehezam-boninkazo asoloko fitia

Dia ianao no anjeliko any alavitra any mandram-pà,

Tonga ilay fotoana mbola ihaonako am’là

Fa androany izaho nilaozanao tsy fantatro hoe ahoana

Fa ny hirako n’aiza n’aiza dia ho henonao foana foana

Raha izay no tianao dia aleo hiodina ny taona

Dia izaho ataovy veloma fa ny hirako ataovy mandrapihaona



Sainonao tsara ny zava-bita hatram’izay

Mitamberina faona andohako eo

Namoronako vazo dia nasiko feo



Indray indray aho anefa tsy mety fa mbola mahatsiaro

‘Lay sangitsika taloha ao anatiko mifangaro

‘Lay fotoana mangina tsika roa mifampijery,

misy dikany ireny fa aleo ho ahy sy ho anao irery

Nefa rava ho azy,  toa rano raraka,

Ny etraketraky ny tany voatery nanasaraka

Satria ianao ande tsy ho koboko ela be ;

Vetivety dia toa lasa lavitra le

Tsy izaho irery anefa no mahatsapa an’izany

Fa izay rehetra manam-pitiavana eto amboniny tany

Reveko ianao akaikiko eo, ny saiko tsinona tsy mandry

Nefa mandehana fa ny any izay  sasa miandry





Indray andro any ianao mbola hifanena amiko ndray

Efa sambatra tsy ahita ahy  tokana anakiray

Dia amin’ zay tsy izaho no andeha  hanome tsiny fa efa ampy ahy ireo rehetra vita fahiny

Dia ianao hijery ahy, dia asinao tsiky kely

Dia izaho hiandrandra lanitra hiondrika tsy hiteny

Hieritreritra kely hoe ohatran’izany ve ny tany

Mmisy fiandohany dia misy fiafarany

Dia izay aloha ny androany fa ny ahy  hatraka ny loha

Fa raha kôfiboay tsy very @ zay sipa iray sy roa

Kanefa zao voafatra ny fotoanan-tsika

Fa tsisy fetra ny ahy ny hirahira sy ny mozika





Saino,saino tsara zay zavatra efa vita

Fa anao no mieritreritra izay mbola ho avy

Indraindray ianao mantsy mety hieritreritra ny taloha

Nefa tsy miandry anao tsony ny fotoana

Ohatran’izany koa no efa niainako

Fa za manantena faona faona

Mandrapihaona  

Partager mandrampihaona

Commenter mandrampihaona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raboussa