4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandra- pihaona - Raboussa

Androany no andefasako aingam-panahy, mba ilazako ny ato anatiko
‘Zay mampiahiahy ahy sy izay rehetra tsy tantiko
‘Lay endrikao mahafinaritra milaza hoe ‘tiako ianao’
Androany anefa ianao milaza fa tsy maintsy handao
Na dia ‘zany aza mba henoy ‘ty hirako ‘ty
‘Lay fehezam-boninkazo asoloko fitia
Ianao no anjeliko any alavitra any mandra-pa
Tonga ilay fotoana mbola ihaonako am-la
F’androany za nilaozanao tsy fantatro hoe nahoana
Fa nena ny hirako n’aiza n’aiza ho henonao foanafoana
Dia raha ‘zay no tianao de aleo hiodina ny taona
Dia ‘za atao veloma fa ny hirako ataovy hoe mandra-pihaona

Fiv: Sainonao tsara
‘Reo zava-bitantsika hatramin’izay
Mitamberina foana an-dohako eo
Namoronako vazo dia nasiako feo


Indraindray nefa tsy mety fa mbola mahatsiaro
‘Reo sangintsika ao anatiko mifangaro
‘Lay fotoana mangina, ‘tsika roa mifampijery
Misy dikany ‘reny fa aleo ho anà sy ho anao irery
‘Nefa rava ho azy, toa rano raraka
Ny hetraketraky ny tany voatery nanasaraka
Satria ianao handeha
Tsy ho koboko ela be
Dia vetivety dia, toa lasa lavitra le
Tsy izaho irery ‘nefa no mahatsapa an’zany
Fa izay manam-pitiavana rehetra eto ambonin’ny tany
Reveko ianao eo akaiky eo
Ny saiko tsinona tsy mandry
Kanefa mandehana fa ny any izay sasa-miandry

Fiv

Indray andro any, ianao tsy maintsy mbola hifanena amiko indray
Efa sambatra ka tsy hahita ahy tokana anankiray
Dia amzay fotoana zay, tsy izaho no handeha hanome tsiny
F’efa ampy ahy izay rehetra(rehetra) vita fahiny
Dia ianao hijery anà, dia hasianao tsiky kely
Dia izaho hiondrika, hiandrandra lanitra tsy hiteny
Dia hieritreritra kely, hoe ohatr’izany ve ny tany
Misy fiantombohany dia misy fiafarany
Dia izay aloha ny androany, fa ny ahy atraka ny loha
Raha kofboay tsy very amze sipa iray sy roa
Kanefa ‘zao voafetran’ny fotoana tsika
Ny anà tsisy fetra ny hirahira sy ny mozika

Fiv

Partager mandra- pihaona

Commenter mandra- pihaona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raboussa