4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hatram'zao - Raboussa

Hatram’zao za tsy tonga saina
Fa oe rava ilay fitia
Nanaraka ahy ahatrany am’bovo ilay tsikitsiky ndry
Hatram’zao za lasalasa saina rehefa ao an-trano
Toa kamokamo, masoko manganohano
Toa manitra anao ilay toerana nihaonatsika farany
Toa misy ny anaranao eto tonga hatrany ampianarana
Toa tsy mino ny saiko tam’le veloma mandrapihaona
Fa miandra anao faona, raovina ‘dray voa mba ihaona

Dia ny alahelo anatiko ao mamirafira
Ny anaranao foana no lasa hirahira
Raovina indray andoro izay fitia sisa tsy may
Izay sisa aty amiko reveko m’lay dia zay
Matsiaro ilay fitsikinao aho sisa “draidray
Tatara sisa ilay fitiavatsika atram’zay
Toa lasa vinany tsy aiko izay niova tao
Hatram’iny ,katram’maly,katram’zao
Ny foko tsy manaiky mihitsy,toa tsy mety voky
Tia ikozy aminao am sms sy facebook
Hoe:’raovina indray voa ihaona”
Sa mila miandry foana,na dia zato taona , anh?
Ka nefa tsika androany tsy aiko fa oe ifandao
Ka raiso dia enoi ti hira tia raha sitrakao
Nataoko ho anao fa enoi tsar any ady rima
Fa tsy mino hoe izao sy ianao ifanadino

Refrain:

Hatramin’izao aho tsy mety mino
Fa hoe iza sy ianao hifanadino
Ka hizara ilay làlana
Ho sampanana
Hatramin’iny ka hatramin’izao
Ny foko mbola tia anao
Saingy hokoboniko ho ahy samirery
Satria fitia tsy an-tery.

Partager hatram'zao

Commenter hatram'zao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raboussa