4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia tena izy - RABL

Raha toa hirahira ny fitia  ,

Aleo  hamoron-kira koa

Raha toa ny fitia ka vavaka,

Deraiko ANDRIAMANITRA.



Raha toa ny fitia ka hadalana,

Aleoko any am-pigadrana,

homeloka anoloan’ny fitsarana,

Sazy tsy misy fiafarana.



Fiv:

Raha fitia no enti-mitia

Dia azonao tiavina aho

Tiavo aho mandrakizay

amin’ ny fo saina fanahy

Raha sitrakao tiavo aho

Mandritry ny androm-piainanao

Tiavo aho hatrany ankoatra,

Ny fontsika hiaraka hivoatra

’Zay ela indrindra azo atao,

Hisakaiza tsika sy ianao.

Fa raha ny fitia ny fitia

Dia azonao tiavina aho



Raha toa ny hanambadiana,

Tsisy afa tsy hiterahana,

Satriko izy hitovy aminao,

hitovy amiko ihany koa.



Raha toa ny fitia ka toy ny ady,

Hiezaka aho mba ho be sandry,

Hifanandrina amin-dry zalahy,

Ho babo sy voafatotra;



Fiv:

Raha fitia no enti-mitia

Dia azonao tiavina aho

Tiavo aho mandrakizay

amin’ny fo saina fanahy

Raha sitrakao tiavo aho

Mandritry ny androm-piainanao

Tiavo aho hatrany ankoatra,

Ny fontsika hiaraka hivoatra

’Zay ela indrindra azo atao,

Hisakaiza tsika sy ianao.

Fa raha ny fitia ny fitia

Dia azonao tiavina aho



Tiavo aho mandrakizay

amin’ny fo saina fanahy

Raha sitrakao tiavo aho

Mandritry ny androm-piainanao

Tiavo aho hatrany ankoatra,

Ny fontsika hiaraka hivoatra

Zay ela indrindra azo atao,

Hisakaiza tsika sy ianao.

Fa raha ny fitia ny fitia

Dia azonao tiavina aho

Partager fitia tena izy

Commenter fitia tena izy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RABL