4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Veloma ry paris - R'Imbosa

Veloma ry Paris

fa roso izao ny dia

toerana nahitan-tsoa

tsy hohadinoina na koa...

Ho gaga ve ianao

raha toa ka hifandao

tiako ianao ka aoka re tsy hanafenako

tiako noho ianao i Gasikara

ilay fonenako

veloma hotsaroana

ry toeram-pandrosoana

ny sarinao dia  ho entiko

tahiry ho raketiko

tiako ianao ka aoka

aoka tsy hanafenako

tiako noho ianao i Gasikara

ilay fonenako

dia tody izao ny dia

iry ery ho ery

ilay nosy Madagasikara

ilay toerana manana tantara

io tokoa va re

ilay tsy hitako ela be

tiako ianao ka etsy

kely hiantsapazako

etsy hifanoroka e

ty nosy tanindrazako

kopaka mosoara

tonga soa aman-tsara

andeha harangarangako

ity Analamangako

tiako ianao ka aoka hiantsapazako

etsy hifamihina ry nosy tanindrazako

Partager veloma ry paris

Commenter veloma ry paris

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe R'Imbosa