4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Haody ry analamanga - R'Imbosa

Haody ry Analamangako

Ry Iarivoko, ry Imerina

Ndreto zahay sy ny lokangako

Fa samy mbola tafaverina



Ny lokanga namborahiko

Ny toloko sy fisaonana

No mbola raisiko angatahiko

Iarahabana ity fihaonana



Fantatrao izay nifandaozana

Sanatria tsy fifandirana

Fa nitady fanavaozana

No niniako nandosirana

Taminao no nitarainako

Ny toloko sy ny ngidiny

Resy tosika ny fiainako

Ka nandao anao tsy fidiny



Haody, haody re hidirako

Ry akany niantombohana

Raisonao (3) ny tononkirako

Mba ho solom-panorohana







Mpamorona : Jean Ratsaramiafara

Partager haody ry analamanga

Commenter haody ry analamanga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe R'Imbosa