4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rano sy vary - Mahaleo

N'inona hanjo
Na tojo ny mafy na ambinin-java-tsoa
Na faly na maloka ny fo
Ianao tsy lavitra,fa eo anilako

Ny masonao no ahitako
Ny tongotrao mahalala ny lalan'ombako
Ny taratrao no hazavako
Ny fontsika mitempo,mifamaly toy ny lamako

FIV:
Izany akia no fitia
Fitia tena fitia
Iray aina,iray safidy
Izany akia ny fitia
Izay tiako no tian-dry
Mizara ny mamy,mangidy
Voatsongo ianao
Izaho no marary
Osa ianao
Izaho no tsy zarizary
Sanatria tsy hifanary
toa RANO sy VARY

Izay teninao no holalaiko
Izay sitrakao no mampandry ny saiko
Izay babenao dia ho zakaiko
Izay mihatra aminao miantraika amin'ny aiko

Tanan-kavia sy havanana
Na mora na sarotra iaraha-manana
Ny mafy hifanohanana
Na be na kely hifanapahana

FIV:Izany akia no fitia.....

Partager rano sy vary

Commenter rano sy vary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite