4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ramiaramila - Mahaleo

Ialahy, ialahy 'lay tsy matory
Fa variana mieritreritra
Ialahy, ialahy 'lay mieritreritra
Tsy mety mahita tory a !

Ny lalana nodiaviny efa lasa fiakarana
Ny lalana nodiaviny tsy fidinana intsony
Ny omaly hitan'ialahy
Ny androany eritreretina
Ny androany hitan'ialahy
Ny ampitso eritreretina !

Ny lalana nodiaviny toa miakatra sy midina
Ny fiainana iainany manaraka an'iny a !

O Ramiaramila ô, zay manana kaska tsara tarehy
Lohanao iny ô, dia voasarona tsara
O Ramiaramila ô, zay manana kaska tsara tarehy
Sainao iny ô, tsy voasarona kosa

Toa manahirana fa mivezivezy
Ny fisainana ao anaty kaska
Tsy mahatombona ny fisainana
Fa mitady lalana ivoahana !

Rehefa misy rotaka (bis)
Mila hikorontana ny loha !
Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila
Ka miady saina satria ...

Any lavitra any e, ny vady aman-janaka
Mivaralila ny ankizy any an-tanana
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana (bis)

O Ramiaramila ô, izay milanja basy tsara tarehy
Rehefa manana azy ô, dia manjary sahisahy
O Ramiaramila ô, izay milanja basy tsara tarehy
Iny basy iny ô, hitifiranao an'iza ?

Toa manahirana ny mandinika an'izany
Toa manahirana ny mamaly an'izany
Fa ny miaramila ho'aho mpanatanteraka ny baiko
Hatraiza moa ny fetra hanarahany an'izany ?

Rehefa misy rotaka (bis)
Mila hikorontana ny loha !
Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila
Ka miady saina satria ...

Any lavitra any e, ny vady aman-janaka
Mivaralila ny ankizy any an-tanana
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana (3)

Partager ramiaramila

Commenter ramiaramila

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite