4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ramaloya - Erick Manana

Injay manako any ambadika any feon’angorodao ee!!

Miampy korintsana, mitopatopa malefaka

Arahina lamako, velively daba, kidodon-tany ee!!

Mila any i Maloya ry zareo ka samia misikina



Somary milaika tsy rototra firy kanefa miangola

Fa mody tsotsotra tsy dia be filatro fa midoladola

Arahina tsiky tosiky ny fo ka maharavoravo ee!!

Izy no Maloya ka handihizo miadana



F’efa latsaka anaty tena lalim-paka ka tonga fanahy

Nandalo sikilôny niampy avandra, fa izy tsy maty

Fanilon’ireo olo-maro voarara tsy hahita masoandro

Izy no Maloya, naterak’i la Reuniô



O Ramaloya! ity aho Ramaloya

Mba ho ento misidina,

Misy ratra tsy sitrana



O Ramaloya! ity aho Ramaloya

Aleveno ao anatin’ny dihy re

Ny lasanay ndrao hanahirana

Partager ramaloya

Commenter ramaloya

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite