4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raiso aho - Ziona Famonjena

Raiso aho - Ziona Famonjena



Resy lahatra aho fa hoe tena tia anao

fa nandray ahy

f’izaho ilay naniasia, dia niaritra teo sy tamin’izao tontolo izao



impiry moa ianao no efa niantso ahy

mba hiverenako, nefa izao no tsy niraika

fa niliba teo, nijinja fahoriana avy eo



Raiso aho tompo o, fa mila anao aho

aminao ihany no tena fiainana

famoizam-po mandrakariva, no tsapako

raha tsy teo ianao, mbola miandry ahy



Resy lahatra aho fa hoe tena tia anao

na dia niavonavona izahay

niaretanao ireo latsa sy esoesoko

nanindrona ny fo



ny androko sisa atolotro anao Ray ô

afoiko avokoa izao tontolo izao

ny lalan-kafa ratsy izay nizorako teo

afoiko ihany koa



Raiso aho tompo o, fa mila anao aho

aminao ihany no tena fiainana

famoizam-po mandrakariva no tsapako

raha tsy teo ianao mbola miandry ahy



Ray o

tsy haiko hadinoina mandrakizay mandrakizay ny fitiavanao ahy

tafalatsaka ato ampoko, eny tafalatsaka ato ampoko tanteraka mintsy fa hoe tia ahy anao

na dia tao anatin’ny ady sarotra aza aho, na dia tao anatin’ny hirifiry aza aho

dia tsy mba nohadinoinao aho Ray ô

androany, raiso aho Jesosy o


Partager raiso aho

Commenter raiso aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ziona Famonjena