4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raiso - RAMPAL



                          RAISO



Niherikerika  aho nitady anao

Fony ianao tsy nitia ahy

Ny alina aza moa tsy nahitako tory



Teny an-dalana aho nivezivezy

Aiza re no misy anao?

Miha-mitombo indray ny adin-tsaina mampahory



REf: Raiso ny tanako ,raiso aho

       Raiso ny fitiavako,raiso aho

       Raiso ny tanako ,raiso aho

       Omeko anao ireo ka anjakao



Voninkazo mena soa sy sarobidy

No natokako ho anao

Ilay anaranao tsy foiko mitoetra ao anatiko ao



Raha toa ianao ka tsy ho anjarako

ry malalako

Aleoko tsy manana toy izay very anao



Ref



      Avelao aho hitia anao...





          RAMPAL

Partager raiso

Commenter raiso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAMPAL