4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raisiko ho ahy - Mahaleo

1-)
Raisiko ho ahy ny hadisoana
Izaho indray no hifona
Nefa aok’izay f’aza avela hilona
Ataovy heloka hibabohana
Ao atao hoe ahy ny tsiny
Nahatonga iny ady iny
Ka mba mangata-pamelana
Aza ivindavindana

Ao re lala o fa mifona
Nanao teny tsy tsaroana
Mitsikia, mangina moa
Mitsikia aloha
Etsy hotoniako ny fo

2-)
Raha toa aho manetry tena
Sanatria tsy fahalemena
Fa raha toa samy sorena
Tsy afak’hidinika am-pahendrena

Raha mitady filaminana
Aza asetrinao fahanginana
Aza mikotrika vali-faty
Fa avoahy ny ao anaty

Sao dia tezitra aho ny hiafarany
Farany io havelako any
Tombotsoa ...ho an’iza moa?
Iza no ho voa?
Tsisy afatsy isika roa.

3-)
Tezitr’ Ianao, tezitra foana
Tsy hay intsony hoe nahoana
Mimonjotra toa trondro moana
Ny tambitambiko zava-poana

Inona moa ilay nampiady teo?
Toa tsy tsaroako akory izay niseho
Fa erikerika lasa tondradrano
Ady kely lasa angano

Toa izao no fiandohany
Ady kely tsy voavaha toa izany
No mitombo, lasa atambo
Mampisara-po
Ny olona mifankatoa

Partager raisiko ho ahy

Commenter raisiko ho ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite