4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raiki-pitia - KAMARA

Raha ho avy ilay andro tsy maintsy hamoizana anao

Tsy ho ahy intsony fa hiova fitia vaovao

Dia hamentsoventso aho ’reo tantarantsika taloha

Tsy ho zaka angamba fa aleo sanatriavina aloha



Ireo adiady filan-kisa kely fanao

Mahagaga ahy fa vao maika tsy hafoizana anao

Ny fandongilongy sy ny famolaka avy etsy sy eroa

Toa zary midongy tsy laitra fa sao enti-po



Ref:Ka ho aiza indray?

      Tsy manan-tsafidy aho hoa k’aza hampahoriana

      Mba ho aiza indray ary aho?

      Tsy tia olon-kafa aho fa ianao no tiana



           Fa raha sanatria ho tanteraka izany

          Avelao re ny foko hitampify eny ihany fa

          Tsy mahasaraka anao aho fa RAIKI-PITIA

          Hanaraka anao aho satria mbola tia



Rediredy fa tia, tena tia mafy anao

Tsy hay nafenina intsony ’lay tsiambararoa

’Lay mampifila kely tao am-poko tao

Noho ny fitiavako anao dia niloatra avokoa



                         -Ref-

KAMARA                                                           Romie

Partager raiki-pitia

Commenter raiki-pitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe KAMARA