4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raiki-pitia - Joy K

Dia nataoko hira fa tsy aritro

Posahiko etoana fa ianao no hanitro

Nandalo olana maro aho teo amin’ny fiainana

vao nisy anao dia nisava avokoa (in2)



Dia ho heno foana an-dohako ao

Raikitra ho nofiko indraindray

Ilay endrika balikanao

Tsy andriko ny hiaonantsika indray

F’ianao no anjeliko mpiambina ahy



Na inona  hira reko sendra koa

Zary manindrona ity fo

Embona avokoa izay atao

Inty ny hirako ventsoiko ho anao

Ianao no anjeliko mitantana ahy



Efa ela no nitiavako olona

Izay vao tena raiki-pitia

Izay tia dia vonona hanohy ny dia



(in-2)

Izay re no izy tsy mila afenina akory

Raha ny hasambarako izany ny mitoetra anilanao

Tsy mila olon-kafa intsony aho fa afa-po aminao

Izay  mba kely ananako miampy ny fitiavako

Izay re no izy tsy mila afenina akory

Raha ny hasambarako izany ny mitoetra anilanao

Tsy mila olon-kafa intsony aho fa afa-po aminao

Izay mba kely ananako miampy ny fitiavako no zaraiko aminao

Partager raiki-pitia

Commenter raiki-pitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Joy K