4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rahoviana ihany ? - Trait d'Union

Rahoviana ity tanana ity, (eh)

No mba ho tongan’ny lalam-by, (ah)

Rahoviana ihany ary ireo akama, (eh)

(No) tsy ho voambaka hihanahana,



I Dadabe dia nanantena, (ah)

Fa mba hiova ny toe-karena, (eh)

I Nenibe dia tena nino,

Fa hisy foana ny vakisiny,

            Ka ho salama ny iray tanana, (eh)



Rahoviana ihany ary ny sekoly, (eh)

(No) tena hanampy an’ireo mpamboly, (ah)

Rahoviana ihany ny politika, (eh)

No mba hitsinjo an’ireo vahoaka,



Ireo dahalo manani-bohitra,

Ny miara-mila tsy sahy manohitra, (eh)

Ireo filoha izay nifandimby,

Samy nihinana tsy nitsitsy,

           Tsy mba nitsinjo izay mba ho ampitso, (eh)



Rahoviana ihany ary ny tantara, (eh)

No mba hitsiky amin’i Gasikara,

Ka ny Malagasy no mba ho sambatra,

(Fa) tsy ny vahiny no ho vokisana,



Zoky sy Zandry mba hanantena,

Fa tena hiova ny toe-karena, (eh)

Ka ny taranaka any aoriana,

Tena hahita ny taona zina,

           Sy hajakan’ny firaisankina, (eh)



Rahoviana ihany ary no hopitaly, (eh)

(No) tena hitsabo an’ireo marary, (ah)

Rahoviana ihany ny dokotera, (eh)

(No) tsy handray tsolotra sy afera,



I Nenitoa dia mba nihevitra,

Fa ho lasa havoana ny tendrombohitra, (eh)

            I Dadatoa dia sahy nidoka,

            Sahiny mihintsy aza ny niloka,

F’azo resena ny tazo moka, (eh)



Rahoviana ity tanana ity, (eh)

No mba ho tongan’ny lalam-by, (ah)

Rahoviana ihany ary ireo akama, (eh)

(No) tsy ho voambaka hihanahana,



Rahoviana ihany ny Malagasy (eh)

(No) hiray hina, hiray vatsy (ah)

Ka na mpihavy na tompo-tany (eh)

Mba hifanaja hatrany hatrany (ah)



Na hianatsimo, na hianavaratra,

Isika dia iray tanindrazana, (eh)

Na hianadrefana, hiatsinana,

Aoka isika hifandray tanana,



Na hisaritaka ho aiza moa ?

Hajao ny tenin’ny teo aloha,

Mba hifankatia sy hifanasoa, (eh)



Trait d’Union

Partager rahoviana ihany ?

Commenter rahoviana ihany ?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Trait d'Union