4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha tsy jesosy - AFAFI Taninanandrano

Moa mba efa nisy ve " Fiadanam-po"

Fiadanam-po nandritry andro nomena anao

Moa tsaroanao tokoa ve !

Moa tsapanao tokoa va re !

Fa tsy misy izany raha toa ka tsy Jesosy no ao aminao



Moa mba efa nisy ve ? “ TENA HASAMBARANA “

Hasambarana hatr’izay naha olona anao

Moa niainanao tokoa ve !

Moa nandramanao tokoa va re !

Fa tsy misy izany raha toa ka tsy Jesosy no ao aminao



Ho sasatra, tsy maintsy ho sasatra eo tokoa hianao

Raha ny herinao no hianteheranao

Ho trotraka, tsy maintsy trotraka eo tokoa hianao

Raha ny fahalalànao no itomponao

Raha tsy Jesosy no ao aminao

Ho very hevitra eo hianao



JESOSY ataovy eo aloha

F’Izy no tompo tena soa

Avelao hanjaka ao am-po,

Sambatra hianao

Maneke izay lazainy

Fa tsy misy tsy hainy

Ny tsy tratry ny saina

Mila handrera-po

Raha tsy eo Ianao Jeso.-  



              A/C : Pasteur Sacha RATIANARIVOSON

                           NEPM-FPVM LA REUNION



  

Partager raha tsy jesosy

Commenter raha tsy jesosy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AFAFI Taninanandrano