4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha tonga ny fety - Razilina

Raha tonga ny fety

Aza milasilasy

Fa revo ny gasy

Mihaingo marevaka

Toa vorombola

Ka midoladola

Ny zatovo vavy

Mihaingitra kely

Misarin’ anjely

Manao irony krepy

Izay fatratra indrindra

Ka revo mamindra



Ny zatovo lahy

Mifampiady bika

Miankanjo zamerika

Somary mandonaka kely sigara

Mikalo an-gitara

Ratrà avy no efa sondriana

Mitafy zandiana

Darà somizo lamaody taloha

Nataony pataloha



Soneninenika mitafy soga

Rabaofy efy goga

Somary mamolaka kely ny ambainy

Fa io no mba hainy

Izaho mba te-hianatra kely asapinga

Kanefa mandringa

Sao mba mitolantsika sy mitanila

Ilay tongotro an’ ila

Partager raha tonga ny fety

Commenter raha tonga ny fety

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Razilina