4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha tia ahy ianao - TOUCKY





RAHA TIA AHY IANAO





Na andro mafana na koa manara,

Tsy ahoako izany rehetra izany,

Tsy ataoko hanakana ahy akory

Ity lakana tsisy mpivoy



Fa hamaky tafiotra aho

Ary hitety onja

Mba hitady anao

Lay nofinidin’ny foko

Fa tsy mitony ny ao anatiko ao

Raha tsy mahita anao



Lakan’iray no iarahanay

Miampita ity fiainan’ity e!

K’hitety onjan-dranomasina mahery

Dia ny onjam-pitia



Raha tia ahy ianao

Dia hazony aho

Fa tsy hamarina an-kady anao aho

Raiso ny tanako , aza manahy

Ny fitiavako tsy miova ho doria

Ka matokia.



Lakan’iray no iarahanay

Miampita ity fiainana ity e!

K’hitety onjan-dranomasina mahery

Dia ny onjam-pitia, mba ho doria.



Zay nekena tamim-po madio

Tsy ho ravan-tsiokan-drivotra, tadio

Fa mafy orina ambony vatolampy

Izao dina izao:



“Raha tia ahy ianao

Dia hazony aho

Fa tsy hamarina an-kady anao aho

Raiso ny tanako ,meteza re! Avia

Ny fitiavako tsy miova ho doria

Ka matokia.”



TOUCKY


Partager raha tia ahy ianao

Commenter raha tia ahy ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TOUCKY