4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha ny rano natsakaina - Andrianary Ratianarivo

(solo lahy)



Raha ny rano natsakaina mantsy hono

No nandatsaka ny aina sy namono

Tsy ho kivy ve ny saina, diso zava-nantenaina

Diso zava-nantenaina



           Zana-borona nompiana teo an-tratra

           No nanao fanahy iniana ka nandratra

           Tsy ho kivy ny saina, diso zava-nantenaina

           Diso zava-nantenaina



Olon-tokana mba tiana no nanjary

Ho mpivadi-panekena sy nanary

Tsy ho kiny ve ny saina, diso zava-nantenaina

Diso zava-nantenaina

Partager raha ny rano natsakaina

Commenter raha ny rano natsakaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Andrianary Ratianarivo