4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha mbola hiverina - Dillie

Tsy aleo ve mijanona eto irery

Raha vetivety ianao mankany

Ny fotoana koa tsy ho very

Handrasako ihany ianao avy any



Fa raha ela loatra izaho tsy mahandry

Tonga dia lasa aho tsy ho hitanao

Fa raha ela loatra sao dia tsy ho tanty

Ka tsy ho hitako eo indray izay hatao



Faingana re raha ho avy ihany ianao

Aza ela fa manam-petra ny fotoana iandrasako anao

Faingana re raha ho tonga ihany ianao

Aza ilaozanao milalao raha mbola hiverina aty



Izaho akory tsy hoe hanadino

Na dia lavitra aza ny halehanao

Raha tsy ela ianao izaho mino

Fa mbola hiaraka hilalao




Partager raha mbola hiverina

Commenter raha mbola hiverina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dillie