4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha ho tonga indray izao - Mahaleo

Raha ho tonga indray izao
Ilay maraina vaovao
Inona ary no ‘ndeha hatao
Hiasa ve sa hilalao

Dia tsy maintsy hiasa ve
Na dia kely aza ny karama
Dia tsy maintsy hiasa ve
Satria be zavatra ilaina

             Firifiry moa no efa voa
             Voadona mafy ka namoy fo
             Noho ireo izay tia sehoseho
             Sy milaza azy ho tena Fariseo

Ka manosihosy ny ambany
Efa mihosona amin’ny tany
Satria mainty fihodirana
Na somary sahirana

Izany ary no zava-misy
Mahonena nefa indrisy
Inona ary no ‘ndeha hatao
Hanoherana an’izao

             Firifiry moa no efa voa
             Voadona mafy ka namoy fo
             Noho ireo tia sehoseho
             Sy milaza azy ho tena Fariseo

Raha ho tonga indray izao (...) Satria be zavatra ilaina

Partager raha ho tonga indray izao

Commenter raha ho tonga indray izao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite