4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miara-mihira - Poopy, dadah sy fafah

Dadah : Tsaroako ny niatombohanao

                Zazazaza fihetsika Zazazaza feo

                Toa tsy noheverina ny hotafaraka

                Na dia mitovy tsy sahala ny kantotsika roa



Be ny fahagagana aterany

Izany no hahalalana ny heriny

Androtoko tsy mitovy aza natambany

Toy izao anio izao miara-mihira no anao



Poopy : Mbola tsaroako toa tsindrin-daona ery

                Miomankomana maraina hijery anao

                Ireo hirahiranao latsaka anatiko

                Niara-nitombo tamin’ny taona nankafiziko



Be ny fahagagana aterany

Izany no hahalalana ny heriny

Na ny nofinofy aza tanterany

Toy izao anio izao miara-mihira no ao



Miaraka : Mateza maharitra tsy hita faritra

                Tafaray avokoa ny izao sy taloha

                Tantarainy ao avokoa ny ratsy sy ny soa

                Ny hirahira izay tena hafa tokoa



(Solo instr)



Fafah : Mba toa anao koa izahay, tamin’ny andronay

                Mazoto mandeha ery, hijery hankafy

                Izao mba anjaranay ny mampihira indray anao

                Mampiara-peo anio hirahira no atao



Be ny fahagagana aterany

Izany no hahalalana ny heriny

Na ny nofinofy indraindray tanterany

Toy izao anio izao miara-mihira no ao



Miaraka : Mateza maharitra tsy hita faritra

                Tafaray avokoa ny izao sy taloha

                Tantarainy ao avokoa ny ratsy sy ny soa

                Ny hirahira izay tena hafa tokoa



(Solo instr)



Tena hafa tokoa…

Miara mihira miara mikalo

Miara mihira miara mikalo

Miara mihira miara mikalo

Partager miara-mihira

Commenter miara-mihira

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy, dadah sy fafah