4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Patrô - Mahaleo

Ianareo rehetra mirana
Hisotro,hitsinjaka koa
Izaho irery no sahirana
Reraka sy marary an-doha

Fety ny andro androany
Ka avelao aho mba hilalao
Fa efa leo ny sasa vilany
Fa izao ny teniko aminao

Fiverenana: Fa efa nataoko izay mety
                  Mba ahafa-po anao Patrô
                  Fa rehefa mba jour de Fety
                  Avelao aho hanoko Lôtô

Tonga ianao dia tezitra
Tsy niteny tsy nanadihady
Nefa izaho tsy nanan-kevitra
Ny hiantsy ady

Malalaka ny vavahady
Hoy ianao nony kelikely
Ka mivoaka ianao azafady
Fa tsy tiako ny mifamely


Fiverenana:Fa efa.....

Aoka re tsy hitroatra
Fa mba fangatahana ny ahy
Satria tsy izany loatra
No fitenin'ny manam-panahy

Fa mbola ho ataoko izay mety
Ahafa-po anao ry Mosé
Avelao aho hifaly sy fety
Rehefa 1er Mai

Partager patrô

Commenter patrô

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite